Ny lehilahy tao an-tanàna izay nivondrona ho mpiray dina antsoina hoe Voromahery no nanao hetsika mahakasika ny ady amin’ny dahalo. Misy 450 izy ireo ary mampiasa basy 60, sokajiana ho antsasaky ny basy eo amin’ny tanàna arovan’izy ireo, araka ny fitsipiky ny dina. Tao Ampamoizankova-Tsiroanomandidy no nanaovan’izy ireo hetsika. Nahatratra 62 tamin’ny 150 very, ny omby voaverina tamin’ny tompony. Nisy ihany koa ny olona izay nolazain’izy ireo ho dahalo, miisa roa, voasambotra. Tao anatin’izay no nahazoana basy iray izay narian’ireo olon-dratsy nandritra ny fifanjevoana. Olona dimy no matin’ny dahalo, hatramin’ny niandohan’ity volana ity fotsiny, manginy fotsiny ny omby very. Izany no nahatonga ny olona ny hihetsika ka nivondrona teo anivon’ity “voromahery” ity. Mangataka aza izy ireo ankehitriny ny mba hanomezana fitaovana azy mba hahafahany miatrika ny ady amin’ny dahalo. Midika izany rehetra izany fa efa mizotra tsikelikely any amin’ny adin’ny olon-tsotra sivily sy ny olon-dratsy ity ady amin’ny dahalo ity. Marina fa misy hatrany ny fanentanana ny olona ny mba handray anjara ao anatin’ny ady amin’ny dahalo, saingy tsy midika akory izany fa handray basy izy ireo dia hiditra any anaty akata. Eo amin’ny fifanampiana amin’ny fifanomezam-baovao ny tokony ho endrik’izany fanomezan-tànana ny mpitandro ny filaminana izany. Ankehitriny kosa dia ny olona mihitsy no midina an-tsehatra miaraka amin’ny fitaovam-piadiana ka mahatonga ny mpanara-baovao manontany tena manana ny maha-izy azy ve ny mpitandro ny filaminana?
D.R