- Publicité -
mardi, septembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Maty voatifitra Ikoba, dahalo mpampihorohoro

Tsiroanomandidy : Maty voatifitra Ikoba, dahalo mpampihorohoro

Raha tsy tonga aloha ireo zandary dia rava indray ny tanànan’Antsahabe ! Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo mantsy, dahalo telo lahy no voalaza fa saika hanafika ity tanàna ity, izay ao amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy. Raikitra anefa ny fifampifitirana teo amin’ireo zandary sy ireo olon-dratsy. Lavo ny iray…

Amin’ny 10 ora alina. Vao nahita ireo telo lahy hafahafaha fihetsika, milanja basy sy nihaodihaody teo an-tanàna ny fokonolona, avy hatrany dia niantso ny zandary. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ka nahetsika avokoa ireo zana-tobim-paritra manodidina. Vantany vao tonga anefa ireo zandary avy hatrany dia tifitra no nitsena azy ireo, avy tamin’ireo olon-dratsy. Dahalo izay ankevitry ny efa niandry ireto farany. Sady nitifitra izy ireo no nitsoaka, hoy ny fampitam-baovao azo. Velona ny fifanenjehana sy ny fifandonana tao anaty maizina tao. Nanampy avy hatrany ireo zandary ihany koa ny fokonolona tamin’ny fanenjehana. Teo am-pidirana ny tanànan’Analamisakana fokontany Manampisoa no nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voatifitra. Nigiaka ary lavo. Tafatsoaka kosa ireo namany hafa. Rehefa nozahana ny toerana nianjerany ary notiliana ny razana dia fantatra hoy hatrany ny zandary fa « Ikoba » io, ilay dahalo malaza ratsy any an-toerana amin’ny resaka fampihorohoroana sy fanafihana. Hita tsy lavitra teo ihany koa ny basy nentin’izy ireo. Taorian’ny fitiliana nataon’ireo mpitsabo moa dia efa nomena ny fianakaviany ny razana. Ny fikarohana ireo namany kosa mbola mitohy any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici