Namaivay indray ny fifanandrinana tamin’ireo andian-dahalo sy ny fokonolona mpanara-dia, nampiana miaramila iray, tany amin’iny distrika Tsiroanomandidy iny ny sabotsy lasa teo. Vokany namoy ny ainy ity mpitandro filaminana ity. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nisehoana fahanafihan-dahalo mahery vaika tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Analatsifaka, ao amin’ny kaominina Soanierana, distrika Tsiroanomandidy tamin’io sabotsy io, vao mangiran-dratsy, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any. Manodidina ny fololahy mahery teo ho eo ireo dahalo, nirongo basy sy zava-maranitra no tonga nandrava io tanana io. Na izany aza anefa, tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy nandritra ilay fanafihana, saingy omby manodidina ny 50 isa any ho any kosa no lasan’ireo malaso. Rehefa nitsoaka nitondra ireto hazany ireo olon-dratsy, izay vao nivory ireo vatan-dehilahy handeha hanara-dia. Miaramila iray, mitondra gradina kapôraly, avy eo anivon’ny DAS, no nanampy azy ireo tamin’izany. Tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any no nifanehatra ireo mpanara-dia sy ireo dahalo ary raikitra teo amin’ny toerana antsoina hoe Avarapasika, ao amin’ny fokontany Antanetibe ny fifandonana. Tamin’izany no nahalavo ity mpitandro filaminana ity. Ary tsy vitan’izay fa mbola lasan’ireo olon-dratsy ny basy « kalach » teny aminy, niaraka tamin’ny bala maromaro tao anatiny. Tafaporitsaka araka izany ireo olon-dratsy, raha mbola variana namonjy ity mpitandro filaminana ity ny ankabezan’ireo fokonolona mpanara-dia. Taorian’io moa no tonga nanampy ireo mpitandro filaminana teo anivon’ny zandary, ny Das ary ny BIA tamin’ny fanarahan-dia sy fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L