- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 16, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Miaramila roalahy namono nahafaty « quartier mobile »

Tsiroanomandidy : Miaramila roalahy namono nahafaty « quartier mobile »

Miverina indray ve ity tsy fahazakàna fahefana ataon’ireo mpitandro filaminana sasantsany mpihoatra vala? Ny zoma hariva lasa teo, “quartier mobile” iray fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Naivo QM, no namoy ny ainy rehefa tsy nahazaka intsony vono sy ny daroka natao azy. Araka ny fampitam-baovao azo dia miaramila roalahy, mitondra ny gradina kapôraly ny iray no nahavita izao habibiana izao, tao Ankianjandravonjy, ao amin’ny  fokontany Tranohaolo, kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Ny atoandron’ny zoma lasa teo no nosamborin’ny miaramilan’ny DAS tao an-toerana ity pôlisim-bohitra ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay anton’ity fisamborana ity, indrindra moa fa ny anton’ny famonoana ho faty azy toy izao, hoy hatrany ny vaovao avy amin’ny zandary tany an-toerana. Rehefa nosamborina moa ity “quartier mobile” ity, dia tsy nisalasala ireto miaramila roalahy nidaroka sy namono ity lehilahy ity tamin’ny vodi-basy. Mafy loatra mihitsy ny vono nahazo azy tamin’io fotoana, hany ka tsy nahazaka izany intsony ny tenany fa nindaosin’ny fahatesana ny alin’io zoma io. Marihana fa miaramila samy miasa ao amin’ny R3A ao Betongolo ireto tompon’antoka tamin’izao vono nitarika fahatesana izao, raha ny fampitam-baovao hatrany. Fantatra fa efa mandeha ny famotorana mahakasika ity raharaha ity amin’izao ary ny vondro-tobi-paritry ny zandary ao Bongolava mihitsy no miantsoroka ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici