- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpamily sy mpianatra iray maty tsy tra-drano, iray hafa tsy...

Tsiroanomandidy : Mpamily sy mpianatra iray maty tsy tra-drano, iray hafa tsy mahatsiaro tena

TSIROANOMANDIDYMitohy indray ny herisetran’ny fifamoivoizana eto amintsika. “Mazda” iray nizotra nianatsimo tamin’ny làlam-pirenena voalohany indray no niharan-doza ny harivan’ny talata lasa teo. Manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany hariva no nitrangan’ny loza, teo anelanelan’ny kaominina Ankadilàlana sy Ambohitsoa, izany hoe 1,5 km tsy hidirana an’i Tsiroanomandidy.  Voalaza fa nivadibadika in-telo mihitsy ity fiara ity nandritra izany hany ka lasa nitodika nianavaratra mihitsy ny lohany. Vokany: ankizivavy mpianatra avy nirava, nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dàlana no maty tsy tra-drano niaraka tamin’ilay mpamily nitondra ilay fiara. Fantatra fa ankoatran’ilay zazavavy maty dia mbola nisy mpianatra lahy iray ihany koa naratra mafy tamin’izany. Ity farany dia efa nentina teny amin’ny hopitaly saingy mbola miady amin’ny fahafatesana satria ny lohany mihitsy no voa mafy tamin’izany. Marihina fa tsy nitondra mpandeha ny fiara  tamin’io fotoana io. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza dia voalaza fa noho ny fandehanana mafy sy ny fahamamoana diso tafahoatra no antony tena  nitarika ny loza. Nisy tamin’ireo, izay nilaza ho mahafantatra ilay mpamily mantsy no nanamarika fa avy nisotro mihitsy izy tamin’io fotoana io ary handeha hody hihazo an’i Tsiroanomandidy. Omaly maraina ny fiara vao nisy nitarika nanala teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici