- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpanakan-dalana 3 maty voatifitra

Tsiroanomandidy : Mpanakan-dalana 3 maty voatifitra

Ny harivan’ny faha-8 jona teo, mpanakan-dalana miisa telo no fantatra fa maty voatifitry ny polisy tany Tsiroanomandidy. Efa hatramin’ny ela ry zalahy ireo no nampitondra faisana ny mponina any an-toerana amin’ny fanakanan-dalana ataony. Sendra ny tsy nampoiziny anefa ry zalahy satria efa narahan’ny mpitandro filaminana hatrany ny fihetsiny. Tamin’io andro voalaza io, kamiao nitondra olona mpividy vary no nosakanany. Raikitra ny fifampitifirana ary tamin’izany no nahalavo an’ireto jiolahy ireto. Tsy milamina ny tanàna any amin’iny faritra iny. Manjaka ny asan-jiolahy isan-karazany. Fantatra koa mantsy fa tovolahy iray no maty voatsindrona  antsy teo amin’ny kibony tao antampon-tanàna.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser