- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpangalatr’omby maty voatifitra

Tsiroanomandidy : Mpangalatr’omby maty voatifitra

Nanao tari-dositra ireo namany fa lavo ingahy.

Omby tokana natakalo ny ain-dehibe ! Lehilahy nangalatra omby no maty voatifitry ny zandary rehefa nifandona tamin’ireto farany. Telo lahy izy ireo, ny roa tafatsoaka. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, nalaina telo lahy an-tsokosoko tao am-bala ny omby matavy iray, tao amin’ny Anosibe Ambohibiby, fokontany Ampizarantany, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy. Nisy nahatsikaritra avy hatrany ny asa ratsy nataon-dry zalahy ka nampandrenesina avy hatrany ny zandary. Raikitra ny fanarahan-dia sy ny fanakanan ireo kizo ary ireo lalana izay mety nitondràn’ireto dahalo ireto izany omby jaolahy izany. Tsy lasa lavitra izy telolahy dia tratran’ireo mpanejika tokony ho tany amin’ny misasakalina tany ho any. Raikitra ny fifanjevoana tao anaty haizina. Velona ny ankifitifitra ary nijanona toy ny tsy teo indray anefa izany fotoana fohy. Rehefa nozahana dia nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no niampatra tao anaty rà mandriaka. Tsy nisy tazana intsony kosa ireo namany, namela ilay omby halatra. Mazava ho azy, tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa “dahalo efa mpanao asa ratsy mangalatr’omby eo amin’ny kaominina manodidina ity maty voatifitra ity”. Mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fikarohana ireo namany sy ny fanadihadiana miaraka aminy any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici