- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpianaka nandeha môtô maty nisy nitifitra

Tsiroanomandidy : Mpianaka nandeha môtô maty nisy nitifitra

Tamin’ny alakamisy lasa teo, raha handeha hody avy namonjy tsena ny mpianaka dia nisy nitifitra teny an-dàlana tambonin’ny môtô nentiny. Tamin’ny 6 ora hariva tamin’izay. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambalanirana any Tsiroanomandidy no nisehoan’izany. Nirefotra ny basy, avy hatrany dia nipitika izy ireo. Naratra avokoa izy mianaka fa ilay raim-piankaviana no tena voa mafy ka dia maty afaka fotoana fohy. Ilay zanany kosa mbola tsaboina any amin’ny hôpitaly. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa raha vao avy nitifitra ireo olon-dratsy dia lasa nandeha niala an’ilay toerana. Tsy nisy zavatra nalainy teny amin’ireto olona ireto. Tsy fantatra marina araka izany ny anton’izao fitifirana izao. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’izoa fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser