Raha voalaza fa nilavo lefona sy niova fo ireo dahalo tany Atsimon’ny Nosy, mandravarava sy manao ny ataony kosa indray ny aty amin’ny faritra Bongolova sy ny manodidina iny. Zandary iray, isan’ireo mpanara-dia ireo dahalo avy nangalatr’omby tao Ampahirivato, kaominina Belobaka, distrika Tsiroanomandidy no matin’ireo dahalo. Marihina fa ny talata lasa teo ireto dahalo teo amin’ny 20 lahy teo, nirongo basy sy zava-maranitra no nanafika an’io tanàna kely io, tokony ho tamin’ny 4ora maraina tany ho any. Nandritra ny fanafihana, dia olona iray no naratra mafy, voatifitr’ireo dahalo teo amin’ny feny ary nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Omby 60 teo ho eo no lasan’izy ireo tamin’izany. Niankandrefana ny diany. Raikitra ny fanaharan-dia nataon’ireo fokonolona sy ny zandary folo. Araka ny vaovao azo hatrany, dia teo amin’ny tanàna antsoina hoe Itondy ao amin’ny distrika Miandrivazo, no nifanena ireo mpanara-dia sy ny dahalo. Mafy ny fifandonana, satria tsy nitsitsitsy mihitsy iretsy farany, ka tamin’izany araka ny loharanom-baovao hatrany no nahalavo ity zandary kilasy fahatelo, isan’ireo nafana fo indrindra tamin’ireo mpanara-dia. Tafaporitsaka avokoa ireo dahalo, tsy nisy azo ny omby. Nifamonjen’ireo namany ity mpitandro filaminana, lavo teo am-panantanterahana ny asany ity, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Fantatra amin’izao fa efa eo am-pikarakarana ny razana ny eo anivon’ny zandary. Mbola mitohy ihany koa ny fikarohana ireo dahalo sy ny omby nangalariny. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra avy amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny no nilaza fa taorian’ireo hetsika nataon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia nizarazara sy samy niparitaka avokoa, somary nianavaratra sy niankandrefana ireo lehiben’ny dahalo sy ny tariny tamin’iny faritra iny. Ka tsy fantatra intsony raha isan’izany ireto dahalo nahafaty zandary ireto na tsia.
m.L