Telo no maty tsy tra-drano, roa hafa naratra mafy. Ireo no vokatry ny fifandonana teo amin’ireo andian-dahalo tsy latsaky ny 40 lahy any ho any avy nanafika tanana iray tao amin’ny fokontany Marofarihy, ao amin’ny kaominina Ankerana Avaratra, sy ireo fokonolona mpanara-dia avy amin’io tanana io. Ny sabotsy, tokony ho tamin’ny 10 alina lasa teo no notongavan’ireo andian-dahalo, izay mirongo basim-borona ireo ny tanana kely iray antsoina hoe Ambatomitsangana. Tamin’izany fotoana izany dia efa saika tapi-nandry avokoa ny isam-bavaravarana, eny fa na dia misy ihany aza ny sasany amin’ireo mponina no mandry tsy lavo loha amin’ny afitsoky ny dahalo any amin’iny tapany andrefan’ny nosy iny. Ary io nitranga io tokoa ny efa nampoizina. Omby nahatratra teo amin’ny zato teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Tsy nianona fotsiny tamin’ny fijerena ny fangalarana ny fananany anefa ireto mponina fa raha vao lasa ireo dahalo dia avy hatrany dia nanara-dia azy tato afara izy ireo. Tsy lasa lavitra ny tanana akory dia voaenjika ireto malaso ary raikitra ny fifandonana. Rà nandriaka no setrin’izany. Noho ny hamaroan’ireo dahalo, izay efa niomana rahateo tamin’ny mety hisian’ireo fokonolona mpanara-dia mantsy dia tsy naharesy tosika azy ireto farany. Hany hery dia niverin-dalana sy niantso mpitandro filaminana. Zandary maromaro avy amin’ny poste Ankerana, niampy miaramila ary ireo Zazamainty no nanampy ireo fokonolona nandeha nisedra ireo olon-dratsy indray. Ambonin’ireo moa dia efa nisy zandary maromaro avy any Tsiroanomandidy, nanampy ireto farany amin’iny fiambenena ny kizo izay mety handehanan’ireo omby ireo.
m.L