- Publicité -
dimanche, août 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Nisy namaky ny Tahirim-bolam-panjakana

Tsiroanomandidy : Nisy namaky ny Tahirim-bolam-panjakana

Efa sahy ratsy ! Tsy mihanona intsony amin’ny fanafihana tokantrano sy fivarotana ireo olon-dratsy any amin’iny faritra Bongolava iny. Ny alatsinainy lasa teo, fantatra fa nisy namaky ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana ao Tsiroanomandidy. Tonga haingana anefa ireo mpitandro filaminana, ka tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy, raha ny fampitam-baovao azo. Ny zava-nitranga : tokony ho tamin’ny roa ora maraina, taitra tamin’ny korontana sy ny tabataba tao ambany rihana ny Talen’ity sampandraharaha mitahiry ny volam-panjakana ity tany an-toerana. Niantso ny zandary tao an-toerana avy hatrany izy noho izany, satria tsy tokony hisy mpiasa intsony amin’ilay toerana, ny andro rahateo vao mangiran-dratsy. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireto farany, niaraka tamin’ny hery vonjy taitra. Ireo jiolahy kosa, raha ny fampitam-baovao azo dia vaky nandositra raha vao nahita ireo mpitandro filaminana. Natao avy hatrany ny fisavàna sy ny savahao manodidina saingy tsy hita tany nanjavonana ireo olon-dratsy. Tamin’ny fizahana ifotony no nahafantarana fa tena vaky ity tranom-panjakana ity, ary efa tafiditra sy nikarokaroka tao amin’ny birao ireo olon-dratsy. Ny mahagaga ny maro dia misy mpitandro filaminana roa natao hiambina ity toerana ity, kanefa tamin’ny fanadihadiana dia tsy nahare na inona na inona izy ireo. Na dia tsy nahazo n’inona n’inona aza anefa ireo jiolahy dia nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha sy ny fikarohana ireo olona izay tao ambadik’izao. Fantatra fa nohamafisina ihany koa ny fiambenana izany Tahirim-bolam-panjakana any an-toerana izany. Tsy fantatra mantsy fa na mety hiverina hanohy ny asa ratsiny ireo jiolahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici