Fitarihana olona hanakorontana. Izay ny antony nampisamboran’ny fitsarana an’i Dada Willy, izay filohan’ny foko 18,raha araka ny fanazavan’ny zandary. Io loharanom-baovao io ihany no nanazava fa nitarika olona efapolo izy tao amin’ny tsenan’omby ary tsy namela ny varotra omby izy ireo, ankoatra ny omby avy any Melaky. Nosakanana ihany koa ny fampiakarana omby ho ao anaty kamiao hoentina any an-toeran-kafa, aty an-drenivohitra indrindra indrindra. Nitatitra ny zava-misy tany amin’ny fitsarana ny zandary ary ny andron’iny ihany dia nisy ny didy fampisamborana izay notontosaina tao anatin’ny fotoana fohy.
D.R