- Publicité -
dimanche, août 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Olona fito nalain’ny dahalo mirongo « kalach » an-keriny

Tsiroanomandidy : Olona fito nalain’ny dahalo mirongo « kalach » an-keriny

Efa manova tetika tanteraka amin’izao ny dahalo. Maka tahaka ny fomba fanaon’ny jiolahy aty Andrenivohitra : maka an-keriny sy manao takalon’aina ! Ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina dia notafihana andian-dahalo mirongo fitaovam-piadiana maherivaika, toy ny basy « kalach », ny tanan’Ankavandrakely, eo anelanelan’i Bemahatazana sy Belobaka. « Norobain’ireo jiolahy ireo ny omby 76 an’olona maromaro tao an-tanàna. Tsy vitanizany fa dia mbola nitondra takalonaina miisa 7 (lehilahy 3 ary vehivavy 4) koa izy ireo mba hampihemotra ireo mikasa hanara-dia satria nandrahona ny hamono azy ireo ireo malaso raha misy mikasa hanao izany » hoy ny vaovao avy amin’ny zandary. Nandray ny andraikiny avy hatrany anefa ireo fokonolona sy ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Bongolava nanara-dia ireto andian-dahalo. « Adim-pamataranandro 11 monja taorian’io fanafihana dia raikitra ny fifampitifirana rehafa tratran’ireo mpanara-dia ireo iretsy dahalo nitondra omby halatra ». Tany amin’ny 30 km atsimon’ny tanan’Andranomangatsiaka, efa hihazo ny faritr’i Menabe no nitrangan’ity fifandonana maherivaika teo amina andian-dahalo sy ireo mpanara-dia ity. Nihemotra avy hatrany moa iretsy voalohany rehefa tena hitan’izy ireo fa vonona sy sahy iretsy farany. « Nisy ny naman’ireo dahalo ireo mbola nobatainy izay mety ho maratra ny fahitana azy avy lavitra ary nisy kosa efatra (04) tamin’izy ireo no lavo ka tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony. Avotra avokoa tetsy andanin’izany ireo takalonaina ary tafaverina sy efa nomena ny tompony manontolo ny omby rehetra voaroba » hoy hatrany ny vaovao. Mbola mitohy kosa anefa na izany aza ny fikaroham-baovao mahakasika ireto dahalo ireto araka ny fantatra hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici