- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Olona iray maty voatifitry ny dahalo

Tsiroanomandidy : Olona iray maty voatifitry ny dahalo

Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo any amin’iny faritr’i Tsiroanomandidy ity. Ny alarobia lasa teo, raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona, izay tsy nanaiky lembenana tamin’ny fanafihana. Sendra ny be noho ny vitsy anefa, ary efa eo anatrehan’ny fitaovam-piadiana maherivaika entin’ireo dahalo dia nisy olona iray tamin’ireo fokonolona no lavon’ireo olon-dratsy. Andian-dahalo teo amin’ny 25 teo ho eo mantsy no tonga nanafika ny tanànan’Ambondro, ao amin’ny fokontany Andakana, kaominina Belobaka, io alarobia io tokony ho tamin’ny dimy ora maraina. Basy kalach roa no teny an-tanan’izy ireo miampy  basim-borona am-polony maro. Raikitra ny fifampitifirana. Tsy nifandrenesana ny feom-basy tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Toy ny tsy teo no nangalaran’ireo olon-dratsy ny basin’ilay lehilahy lavon’izy ireo. Lasan’izy ireo ihany koa ny omby 120 teo an-tanàna. Nandeha nandositra niankandrefana nihazo ny lalan’i Miandrivazo iny ireo dahalo. Nanara-dia avy hatrany ireo fokonolona, niaraka tamin’ireo zandary tany an-toerana. Fa nanomboka ny voalohan’ny herinandro teo dia nahenoana asan-dahalo sy aina nafoy foana tany amin’iny faritra iny. Hatreto, raha ny fantatra, dia miisa efatra ireo olona maty, am-polony maro ireo naratra ary nahatratra an-jatony ny omby very.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici