Ny voalohan’ny volana teo dia nitrangana fanankanan-dalana sy fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Kamiao mpanangom-bokatra no lasibatry ny jiolahy tamin’io fotoana io ka nahazoan’izy ireo vola an-tapitrisany maro. Naratra vokatr’io fanafihana io ihany koa ilay mpandraharaha tao anaty fiara. Tamin’io fotoana io ihany dia nisy ny fikarohana nataon’io zandary, hitadiavana izay tompon’antoka tamin’izany. Herinandro mahery kely taty aoriana, nivaly ny fanadihadiana. Kartie mobily mahafantatra tsara ireto mpandraharaha ireto ihany no tompon’antoka, niaraka tamin’ny naman’iay ireo hafa. Raha ny fampahafantarana nataon’ireo mpanao famotorana dia tafakatra fito hatreto ny olona voarohirohy tamin’ity resaka ity ary mbola misy ireo karohina. Fantatra mantsy fa mahalala tsara ireto olona ireto fa handeha haka entana ilay kamiao. Noho izany tsy maintsy misy volabe any amin’izay olona ao anatiny. Ny rahalahin’ilay polisim-bohitra niaraka tamin’ny namany no nirahina hanao ny fanafihana mivantana raha mpanome vaovao mikasika ny ora sy fotoana ary ny lalan’ny fiara kosa ilay ati-doha. Marihana fa tamin’ny alalan’ny tora-bato isan-karazany no nentin’ireo olon-dratsy nanajanona ilay fiarabe. Voa tamin’izany rahateo ny mpamily ary naratra. 17 tapitrisa ariary no lasa tamin’izay ary enina tapitrisa no anjaran’ireo mpirahalahy amin’ny ratsy. Tafaverina tamin’ny tompony, taorian’ny famotorana moa ny ampaham-bola 5 tapitrisa ariary mahery teo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany hoy ny zandary. Ireto efa voasambotra kosa dia atolotra ny Fampanoavana tsy ho ela
m.L