- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Raim-pianakaviana maty notrobaran’ny jiolahy ny antsy

Tsiroanomandidy : Raim-pianakaviana maty notrobaran’ny jiolahy ny antsy

Misesisesy ny asan-jiolahy any amin’iny faritra Tsiroanomandidy iny tato ho ato. Ny alahady alina lasa teo, tokantrano iray tao Ambararatabe indray no notafihin’ny jiolahy amam-polony, nirongo fitaovam-piadiana. Vokany, maty notrobaran’ireto olon-dratsy ny antsy ny raim-pianakaviana tao amin’ity trano. Vola sy entana an-tapitrisany kosa no lasan’izy ireo tamin’izany. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana any an-toerana dia nanao amboletra niditra tao amin’ity tokatrano ity ireto olon-dratsy rehefa avy namaky ny varavarana. Saika hanohitra noho izany ity raim-pianakaviana ity tamin’io fotoana io, saingy tratan’ny be no ho vitsy ka lavo. Tsindron’antsy avy hatrany no niantefa teny amin’ny kibony. Niboraka teo mihitsy ny tsinainy raha ny fanazavàna azo hatrany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nodarohan’ireto jiolahy ireto ihany koa ireo zaza amam-behivavy tao an-trano. Nanao izay danin’ny kibony avy eo ireo olon-dratsy naka izay azo nalaina rehetra tao an-trano, ary rifatra nitsoaka avy eo. Noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ihany ilay raim-pianakaviana nony lasa ireo olon-dratsy saingy indrisy fa tsy tana ny ainy noho ny habetsaky ny rà very. Efa mandeha moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici