- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Ramatoa maty voakapa famaky

Tsiroanomandidy : Ramatoa maty voakapa famaky

Ny 10 may teo no nisehoana vono olona tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Bemahatazana. Mpivady ireto olona ireto ka ilay lehilahy 23taona ary ilay vehivavy kosa 19 taona. Nilaza ny hamonjy fivoriana miaraka amin’ny tompon-tranony ity lehilahy, roso tokoa ary ny dia, rehefa nizotra elaela ny fivoriana dia nitsangana ity lehilahy ka nilaza fa misy zavatra tsy maintsy alainy any an-tranony, marihina moa fa somary miala kely ny tanàna ary mandalo lohasaha ny mankany amin’ity trano honenan-dry zareo ity.

Tongotra an-katoka anefa ny an’ity lehilahy raha niverina namonjy ny fivoriana ka nilaza tamin’ireto namany nivory fa maty voatsindrin’ny gonim-bary ao an-tranony ramatoa vadiny. Nikoropaka tamin’izany ireto mpara-monina ka tonga dia namory ny fokonolona sy ny zandary tao an-toerana hijery ifotony ny zavaniseho marina.Teo am-pizahana ny razana no nahitana fa nokapaina famaky ilay ramatoa vao notsindrina vary tamin’ny gony avy eo. Porofo nanamarina izany ny fahitana ilay famaky fikapana kitay mihosin-drà tao an-trano ary mbola manamarina ihany koa ny diam-pamaky teo amin’ny lohan’ilay ramatoa ka nitarika ny fahafatesany.

Notazonina avy hatrany ilay rangahy vadiny hanaovana ny famotorana ka hahafantarana marina ny mety ho antony nanosika azy hanao izao fihetsika izao . Ary efa eo am-pelatanan’ny zandary any an-toerana ny raharaha.

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser