Tokatrano iray tany amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny indray no lasibatry ny dahalo am-polony, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Vokany, maty voatifitr’ireo olon-dratsy ny rangahy iray 60 taona, tompon-trano. Lasan’izy ireo koa ny vola an-tapitrisany niaraka tamin’ny basin’ity rangahy ity. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina mahery kely teo no tonga masiaka tao amin’ity tanana iray tao an-drenivohitr’i Bongolava ity ireto andian-dahalo, sahabo ho fololahy teo ho eo, niaraka tamin’ny basim-borona. Nentina nampitahorana ireo mponina sy izay mety ho sahy hanakana ny dian’izy ireo dia nanapoaka basy ireo malaso. Ny tokatranon’ity rangahy lehibe iray ity no nataon’izy ireo lasibatra tamin’izany, izay tsy fantatra hatreto na efa fantatr’izy ireo ny fisiana fitaovam-piadiana sy vola tao amin’ilay trano. Ary na dia teo aza ny fisian’izay fitaovam-piadiana, izay mety ho nampiasain’ny tompon-trano nentiny niarovan-tena dia tsy nisalasala izy ireo niditra. Raha vantany vao tafiditra mantsy izy ireo dia tifitra variraraka no nasetriny ka nahavoa ilay rangahy lehibe. Maty tsy tra-drano ity farany, araka ny fampitam-baovao azo. Nanao izay danin’ny kibony amin’izay izy ireo nandroaka izay rehetra zakany, ka anisan’izany ny basim-borona iray niaraka tamin’ny basy « calibre 16 » iray. Mbola nisy vola tamin’ny sakaosy nitentina teo amin’ny telo tapitrisa ariary teo ho eo ihany koa, araka ny vaovao hatrany no lasan’ireo olon-dratsy. Vao azon’izy ireo izay nilainy dia nitsoaka niakandrefana ireo olon-dratsy. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo voatafika, ary niezaka namonjy ilay raim-pianakaviana voatifitra. Ity farany moa dia tsy nisy azo natao taminy intsony. Tonga tany an-toerana avy hatrany ny zandary misahana iny faritra iny, niaraka tamin’ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy. Teo no ho eo ihany koa dia nisy sahavao natao eran’ny tanana. Nahetsika ihany koa ireo zandary rehetra teny amin’ny manodidina hanao fisavàna sy hiambina ny kizo, lalana mety ho handalovan’ireo olon-dratsy.
m.L