Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray, tany Tsiroanomandidy. Taorian’ilay lozam-pifamoivoizana nahafatesana saofera sy mpianatra iray nirava avy nianatra, vao tsy ela akory izay, dia “Sprinter” iray indray no namoa-doza tamin’iny làlam-pirenena voalohany iny ka namoizana ain’olona 4. Ny alin’ny alatsinainy teo no nitrangan’izany, manodidina ny tamin’ny 9 ora, tao Antanambao, làlana 20 km tsy hiditra an’i Tsiroanomandidy. Tsy fantatra hatreto ny tena antony nahatonga ny loza, fa araka ny tatitr’ireo nanatri-maso ny loza, dia fandehanana mafy no nahatonga ity fiara ity ho nivadibadika ka izao nahafatesana olona maro izao. Maty tsy tra-drano avy hatrany ireo olona 4 ireo. Anisan’ny namoy ny ainy tamin’izany ny zazalahikely vao 7 taona monja, mpandeha tamin’ity fiara ity. Namoy ny ainy ihany koa ny mpamily mpanampy sy mpandeha roa hafa. Ankoatr’izay, maro ihany koa ireo naratra mafy toy ny mpamily. Ity farany dia miady amin’ny fahafatesana mihitsy ankehitriny noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Marihina fa, ireo olona nahita ny loza no nifanome tànana niaraka nisokitra ireo naratra sy ireo razana nihitsoka tao anatin’ilay fiara “Sprinter”. Efa naterina eny amin’ny hopitaly CHRR an’i Tsiroanomandidy kosa ireo naratra hahazo ny fitsaboana sy fikarakarana sahaza azy ireo. Omaly maraina kosa vao nalain’ny olona teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay “Sprinter” izay efa simba tanteraka tsy nisy nahafantarana azy intsony. Efa tonga teny an-toerana nanao ny “constat” ihany koa ny zandary. Misokatra arak’izany ny fanadihadiana mahakasika ny antony nahatonga ny loza.
Niony H.