Zazakely nilalao no nahita ireo taolàm-balo marobe tao anaty lobolobo. Nisy 24 izy ireo ary milanja fito kilao, raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Ny marainan’ny alahady teo, no hita tao amin’ny fokontany Soafiadanana izany taolana marobe izany. Ireo zaza no nampandre ny ray aman-dreniny; izay nampita ny vaovao tamin’ny mpitandro ny filaminana nony avy eo. Nisy ny fanadihadiana nosokafana, saingy hatreto dia tsy mba nety tonga lavitra mihitsy ny toa izany. Mijanona ho misitery tanteraka ny momba ny taolam-paty sy ny atidoha mikotrika izany ary koa izay mety hanaovana ireo taolana rehefa avy nangalarina. Ankehitriny aza, dia efa tafakatra an-drenivohitra ny heloka bevava toa izany. Toa izay niseho farany teo teny Ambohimiandra : ireo razana lena sisa navelan’ireo mpangalatra tao am-pasana…
D.R