Isan’ireo tompon’antoka tamin’ny famonoana feno habibiana ilay raim-pianakaviana, mpivarotra mpitety tsena tao Bongolava tao izy ireo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Tranga izay niseho andro vitsy lasa teo tao Antsahatanteraka, kaominina Ambatolampy.
Taorian’ity fanakanan-dàlana, niharo fanafihana ary vono olona ity dia nandray andraikitra avy hatrany ireo zandary tany an-toerana nanokatra ny fanadihadiana ary niezaka nikaroka ireo olon-dratsy. Tapa-bolana taty aoriana nisehoan’io tranga io dia nivaly ny fikarohana. Olona telo aloha hatreto no voasambotra ary heverina fa hanaraka azy ireo tsy ho ela izay namany sy ireo mpiray tsikombakomba taminy. Raha tsiahivina, tamin’io fotoana io dia efa nandrasan’ireto olon-dratsy kendritohana mihitsy ity mpivarotra mpitety tsena ity sy ny fiara nentiny. Tifitra variraraka avy hatrany no niantefa teny aminy ary namoizany ny ainy teo no ho eo. Nanao izay danin’ny kibony amin’ireo olon-dratsy nandroba ireo olona tao anatin’ny fiara izay. Mpivarotra maromaro mpitety tsena ihany koa. Vola an-tapitrisany maro no lasa tamin’izay fotoana izay.
Marihana fa taorian’iny tranga iny dia nisy avy hatrany ny fepetra noraisina, nentina nisorohana ny hiverenan’ny tranga tahak’izany, ary hampiharina amin’ireo mpampiasa lalana rehetra ao anatin’ny faritra Bongolava : ireo fiara mpitety tsena dia mivondrona amin’ny toerana iray ary miaraka mandeha sy arahina mpitandro filaminana. Tsy tokony atao intsony ny mandeha alina, na amin’ny lalam-pirenena voalohany iny na amin’ny lalan’i Maintirano, hihazo an’i Tsiroanomandidy. Ezahina hatrany ny manatona tanana misy tobin’ny mpitandro filaminana raha toa ka tsy maintsy mandeha. Ireo fiarabe sy sarety mpanangom-bokatra moa dia tazomina tsy handeha alina mihitsy raha tratra hariva ka mandalo « barrage de surveillance ».
m.L