Tsy vao indray fa efa fanindroany amin’izao no nisy vaky trano narahana fifampitifirana tao amin’ity tanàna iray ao anatin’ny kaominina Bevato, distrika Tsiroanomandidy ity, araka ny nambaran’ny lefitry ny ben’ny tanàna tao an-toerana. Ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo tokoa dia nisehoana tranga tahak’izany tao amin’ity tanana antsoina hoe Manambolo ity. Raha ny angom-baovao azonay taty an-toerana, dia tokantrano iray no niharan’ny hetraketraka nataon’ny olon-dratsy ary niafara tamin’ny fitifirana mihitsy izany. Olona telo tao an-trano no niantefan’ny bala, ka ny iray tamin’ireo tompon-trano no maty tsy tra-drano raha ny roa no naratra mafy. Vola mitentina eo amin’ny ny roa hetsy ariary eo kosa no lasa tamin’izany. Raha ny fanazavana ity tompon’andraikitry ny tanana ity dia tsy dia azo heverina loatra ho fanafihana fe fanafaihana fa mety ho vokatry ny lonilonim-piarahamonina misy eo an-tanàna. Na izany na tsy izany aza anefa dia efa eny am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana ity raharaha ity, hutadiavana izay tompon’antoka tamin’io. Fa amin’izay lafin’ny tsy fandriampahalamena izay any amin’iny faritra dia azo lazaina na dia misy ihany aza ny tranga tsindraindray, fa efa miha miverina tsikelikely ny filaminana, raha ny hita taty an-toerana sy ny nambaran’ireo mponina. Indrindra moa fa ny amin’ny resaka asa-dahalo. Anisan’ny laharam-pahamena eo anivon’ny faritra Bongolava raha teo izay fametrahana izay fandriampahalemana izay, ankoatry ny fanamboaran-dalana sy ny resaka herinaratra.
m. L