- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Tovolahy voalaza fa nalaina an-keriny, nandositra fa niady tamin’ny sipany

Tsiroanomandidy : Tovolahy voalaza fa nalaina an-keriny, nandositra fa niady tamin’ny sipany

Efa azo lazaina fa milamindamin-dratsy ity resaka halatra olona ity tao ho ao izay, indrindra fa ny teto an-drenivohitra. Misy ihany ireo tranga tsindraindray any amin’ny faritra any saingy rehefa tena zohina dia paikady ratsy entin’ireo voalaza fa lasibatra anafenany ny zavatra ataony fotsiny, toy ny fitsoahana tokantrano na fandosirana fotsiny, fa nifamaly tamin’ny sipany. Toy ity tranga iray tany Tsiroanomandidy ity. Ny sabotsy teo tokoa mantsy dia nisy nampandre ny zandary tao amin’ny tobim-paritra Amparihivato fa nisy naka an-keriny, araka ny filazany, raha nandeha namonjy fetim-pianakaviana tany Miarinarivo, ka iny handeha hihazo ny fodiany any Ambalanirana, distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Amin’ny tranga toy izany moa dia miditra an-tsehatra ary mandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana, raha vantany vao nisy nampandre monja. Nahetsika avokoa ireo zandary manodidina sy ny fokonolona ho amin’ny fikarohana ity tovolahy ity fa tsy nahitam-bokany ! Ny harivan’io, tonga indray ny hafatra avy amin’ny findain’ilay tovolahy fa tratran’ny mpanao ratsy izy ka ilazàna ny sipany mba hanatona ny reniny, hampahery azy fa tsy fantatra na ho faty na ho velona ingahirainy.  Ny laharana azo tamin’io finday io moa no nentin’ny mpitandro filaminana nanohy ny fikarohana nony avy eo. Ary nitondra vokatra, satria hita tany Ambohipihaonana, fokontany Miadampaonina, kaominina Andriampotsy, distrikan’i Fenoarivobe, ny lehilahy, ny ampitson’ny tsy nahitàna azy. Tamin’ny famotorana azy moa no nilazany fa “ tsy marina ny filazany fa hoe nisy naka ankeriny izy. Noho ny disadisa nisy taminy sy ny sipany dia nisotro toaka sy nifoka sigara izy nandritra ny fetim-pianakaviana, ka rehefa tonga ny maraina dia nandeha nitsoaka nanary tena izy, ka nizotra nianavaratra mihazo an’Andriampotsy,  toerana tsy misy fianakaviana. Nampiakarina any Tsiroanomandidy moa ity tovolahy ity, ho tohin’ny famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici