Na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra dia saika lasibatra avokoa ireo fasana rehetra mitokatokana sy lavitra tanana. Tany amin’iny disitrika Tsiroanomandidy iny, dia razana 18 indray no very tsy hita rehefa nangalarin’ireo tsy valahara tao am-pasana. Tao amin’ny tanàna kely iray antsoina hoe Fierenantsoa no nitrangan’ity vaky fasana ity, ao amin’ny kaominina Tsinjoarivo. Tsy fantatra mazava izay andro nanaovan’ireo mpangalatra taolam-paty ity asa ratsy ity fa ny alarobia teo no hitan’ny mpiandry omby teny an-toerana sendra nitondra ny biby fiompiny teny amin’ny manodidina no nahita ny varavaram-pasana nivoha nidanadana. Taorian’ny fampandrenesana ireo olo-ben’ny tanana sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay nidina teny an-toerana dia hita fa efa nikorontana tanteraka tao am-pasana. Rehefa notiliana akaiky dia ireo razana 18 ireo voakitikan’ireo olon-dratsy. Lasan’izy ireo avokoa rehefa mety ho taolana lavalava tamin’izy ireo. Ny karan-doha sisa no navela. Fa izay no tany ambanivohitra fa nitrangan’izany vaky fasana izany ihany koa tetsy Alasora. Ny talata lasa teo no nisy nahita ny fahavakisan’ity fasana ity. Tamin’io indray dia razana sivy teo no voakitika ary very taolan-dava ihany koa. Ny mahagaga amin’ny tranga toa ity dia toa misy fotoanany izany ny fisian’ilay halatra. Efa somary nangingina mantsy izy io teo aloha teo, ary efa maro ihany koa ireo tratra na ireo taolana hita tetsy sy teroa, izay azo vinaniana hoe angamba tsy nisy nandray tany ho any. Saingy amin’izao dia lasa mirongatra indray. Hatreto dia efa ho razana 100 sy fasana am-polony any ho any very taolana tao anatin’ny dimy andro monja.
m.L