Tato anatin’ny telo andro izay dia voalaza fa miaina ao anatin’ny hain’andro tanteraka ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Isan’ny tena ianjadian’izany ny eto am-povoantany izay saika maina tanterka. Mandondonana ny orana izay tsy mety milatsaka akory na dia mipoapoaka sy masiaka tokoa aza ny varatra any amin’ny toerana maro. Nahitana izay tranga izany ny tao amin’ny kaomininy Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy ny tolakandron’ny alatsinainy 28 okobra lasa teo tokony tamin’ny 3ora teo ho eo. Vokany, trano iray no lasibatry ny varatra ka may tanteraka tao amin’ny tanàna iray atao hoe Ankibonimerina, ao amin’ny fokontany Amparibe. Tsy nisy voavotra ihany koa ny entana rehetra tao anatiny. Vehivavy iray, 19 taona, tompon’io trano io no voalaza fa naratra mafy noho ny fahamaizana nahazo ny lamosiny. Nalefa azy hatrany ao amin’ny CSB2 Amparibe moa ity vehivavy ity taorian’ny loza. Efa nidina teny an-toerana ny zandary nanao ny fizahana momba ity raharaha ity. Ny toe-javatra toy izao dia mateti-pitranga amin’ny vnim-potoana toy izao. Io varatra main’andro io dia isan’ny antony iray mitondra doro-tanety.
T.M.