Iray maty, roa naratra mafy. Izay no vokatry ny fifandonana mahery vaika nisy teo amin’ireo andian-dahalo avy nanafika sy ireo fokonolona nanara-dia ny omby very, tany amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny.
Efa tsy mifidy asiana intsony ny dahalo any amin’iny faritra Bongolava iny. Sefo fokontany iray tao Morafeno, kaominina Fihaonana ao amin’ny distrika Tsiroanomandidy indray mantsy no lasibatry ny asan-dahalo ny alahady alina lasa teo. Tsy izy irery ihany anefa no voa tamin’io fotoana io, fa nanafika tokantrano iray tao Manondrarivo, ao amin’io kaominina ihany koa ireo olon-dratsy. Am-polony maro izy ireo, ary mirongo zava-maranitra sy basim-borona tamin’izany fanafihana izany. Omby am-polony maromaro any ho any lasa tamin’io fotoana io. Avy hatrany, dia nampandrenesina haingana ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao an-tanàna. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ireo zandary tao, ary nanara-dia ireo dahalo niaraka tamina Zama (andrimasom-pokonolona) sy ny fokonolona. Efa somary fantapantatr’ireo farany avy hatrany moa ny dian’ireo mpangalatr’omby ka niezaka ny nanodidina azy ireo, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ambohitromby, ao amin’ny fokontany Tsaratanana. Ary io tokoa, fa nifanehitra tsara tamin’ireo olon-dratsy. Raikitra teo ny fifandonana. Lavon’ny balan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny Zama iray avy aty amin’ireo mpanara-dia. Nisy roa tamin’ireo fokonolona ihany koa no naratra mafy. Na izany aza anefa, dia resy tosika ihany ireo dahalo nandao ireo hazany ary nanao tsoa-pe nandositra. Omby 61 tamin’ireo 68 lasan’izy ireo no tafaverina soa aman-tsara tamin’ny tompony, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Mbola mitohy kosa ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo andian-dahalo ireto any an-toerana.
m.L