- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomndidy : Tranona miaramila notafihan’ny dahalo

Tsiroanomndidy : Tranona miaramila notafihan’ny dahalo

Tamin’ny heriandro lasa, notafihana andian-dahalo ny trano nivantanan’ny miaramilan’ny DAS tao amin’ny  tanàna antsoina hoe Antanakely-Ambatofotsy any amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Ny loharanam-baovao no nahafantarana fa avy hatrany dia namantana tao amin’ilay  trano ireo jiolahy. Miaramila roa no tao tamin’io fotoan io. Novakian’ireo mpanafika ny varavarana taty ambany rihina. Henon’ireo miaramila izany ka raikitra avy hatrany ny fifampitifirana. Nivoaka avy eo ireo mpitandro filaminana. Voatifitra teo amin’ny sandriny havia ny iray tamin’izy ireo. Efa nentina notsaboina any amin’ny CSBII Bemahatazana ka tsy misy atahorana ny aminy. Tamin’io fotoana io, soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy. Tsy nisy koa ny basy lasan’ireo olon-dratsy sy olona hafa naratra. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra marina ny antony nanafihana an’ireto miaramila roalahy ireto. Raha ny hangalatra ny basy dia tsy nahomby ny tetika. Anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo isan-karazany iny Bongolava iny. Toa saika isan’andro no handrenesana fanafihan-jiolahy  sy dahalo mangalatr’omby. Efa manao izay hoafany ny mpitandro filaminana nefa tsy mety foana mihitsy ireo zavatra ireo. tsy any Bongolava ihany anefa no manjaka ny tsy fandriampahalemana fa hatraty Itasy rehetra aty. Vao herinandro roa lasa izay no nanafihan’ny sasany lehilahy nitondra moto niaraka tamin’ny volabe.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici