- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsivatrinikamo Antsirabe : Bibilava tsy fahita, nampisahotaka ny olona

Tsivatrinikamo Antsirabe : Bibilava tsy fahita, nampisahotaka ny olona

Nahitana karazam-bibilava tsy fahita firy teto Antsirabe teny amin’ny fokontany Tsivatrinakamo ka nampisahotaka ny mponina. Ramatoa iray teo am-pijinjana vary no taitra mafy raha nahita ity bibilava be iray nihaodihaody teo akaikin’ny tanimbariny. Niantso vonjy ity farany ka vetivety dia vory maro ny olona nijery izato biby nolaizainy. Tsy nisy sahy nandray moa ity biby noho ny halehibeazany fa samy nitazam-potsiny avokoa. Tovolahy teo kely eo an-tanana ihany no sahy nandray azy ary rehefa noraisiny dia karazam-bibilava antsoina hoe Do izy ity, mafefaka tsy masiaka saingy ny halebezany sy ny lokony mavo maramara no nampatahotra ny olona. Araky ny angom-baovao teny an-toerana dia naterin’ilay tovolahy kely tao amin’ny teratany vahiny iray monina eny Tsivatrinikamo ilay biby. Ity teratany vahiny ity dia miompy sy manana karazam-biby maro ao aminy, ka noheverin’ny olona fa izy no tsara hametrahana azy. Tonga teny an-toerana ny mpanao gazety nanao fanadihadiana sy nikasa  haka sary ilay biby saingy tsy nomen’ilay vahiny mihitsy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici