Herinandro maro taty aoriana, hita ny basy very, kalach iray sy PA iray, izay fantatra fa lasan’ny dahalo tany Tsivory, any amin’ny faritra Atsimo any. Nahatonga resaka be mihitsy moa iny zavatra iny, satria nahafaty ny CB sy ny lefiny tany an-toerana. Noho ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana no nahazoana izao vokatra izao. Iray volana lasa izay, mpitandro filamina folo no tonga saika hanampy ireo namany nifampitana tamin’ny andian-dahalo. Nifanehatra tamin’ireo mpandroba anefa izy ireo ary raikitra ny fifampitifirana. Tamin’izany no nahalavo an’ilay tompon’andrikitry ny zandary.
r.s.