- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversTsivory : Lehiben’ny borigady iray sy ny lefiny, lavon’ny dahalo

Tsivory : Lehiben’ny borigady iray sy ny lefiny, lavon’ny dahalo

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany amin’iny faritra Atsimo iny, ny faran’ny herinandro teo. Nifanehitra tamina andian-dahalo miisa an-jatony avy nangalatra omby, notarihana lehiben’ny dahalo antsoina hoe Celestin sy Revato, ny mpitandro filaminana vitsivitsy, notarihana lehibena Borigady iray sy ny lefiny. Sendra ny be no ho vitsy izy ireo, satria dia enina monja, nanoloana ireo dahalo 150. Lavon’ny balan’ireto dahalo ireto tamin’izany ity lehiben’ny borigadin’i Tsivory ity, niaraka tamin’io lefiny iray io. Lasan’ireo dahalo ihany koa tamin’izany ny basin’izy ireo, kalach roa, PA iray, bala maromaro, ary grenady telo. Raha ny filazan’ny avy ao amin’ny mpitandro filaminana, saika hanampy ireo namany avy ao amin’ny « poste avancé »-n’i Mahaly izy ireo no tojo io ady tsy nifandanja io. Voalaza ihany koa mantsy fa manana fitaovam-piadiana mahery vaika, mitovy amin’ny an’ireo zandary ny dahalo. Ankoatr’ireto zandary ireto, dia fantatra araka ny loharom-baovao fa nisy pôlisy roa hafa niaraka tamin’izy ireo. Ny iray naratra mafy ary ny iray kosa mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Manamafy ny fitarainana nalefan’ny Sekretam-panjakana miadidy ny zandary hatrany ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny zandarimariam-pirenena, mikasika ny tsy fahampian’ireo fitaovana am-pelantanan’ireo mpitandro filaminana. Na izany aza, miezaka mampiasa ireo an-tànana ihany izy ireo ary efa nandray fepetra maro mikasika ity asan-dahalo ity mamely indray ny any Atsimo ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser