- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsivory : Mpampianatra maty voatitry ny dahalo

Tsivory : Mpampianatra maty voatitry ny dahalo

Fitaintainan-dava ! Omaly maraina dia mpampianatra iray, niaraka tamin’ny olona iray, nandeha môtô indray no lasibatry ny jiolahy teo anelanelan’ny kaominina Elonty sy Marotsiraka, any amin’iny distrik’Amboasary Atsimo iny. Maty tsy tra-drano norarafan’ireo olon-dratsy ny bala moa Ingahy mpampianatra. Ilay olona nentiny kosa naratra mafy, voavelin’ny vodibasy.

Mandry tsy lavo loha tanteraka ireo mponina any amin’iny faritra Anôsy iny noho ny afitsok’ireo andian’olon-dratsy maro. « Saika ho isan’andro, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny namana any an-toerana no handrenesana fanafihana mitam-piadiana aty ». Vao omaly maraina tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any, araka ny vaovao azo hatrany no nitrangan’ny fanafihana niharo vono olona indray tao amin’ny tanan’Ankilitelo, kaominina Tsivory, distrika Amboasary. Mpampianatra iray amin’ny sekoly ambaratonga fototra any amin’ny kaominina Elonty no lasibatra teto, niaraka tamin’ny ramatoa iray nentiny tamin’ny kodiaran-droa. Marihana fa saika handeha hamonjy tsena ao amin’ny kaominina Marotsiraka izy ireo no nifanehatra tamin’ireo andian-dahalo nirongo fiadiana. Tsy nisy alaharo alaharo fa tifitra variraraka avy hatrany no nitsenain’ireo olon-dratsy azy ireto. Voa teo amin’ny tanany sy teo amin’ny sorona ingahy mpampianatra ka nianjera niaraka tamin’ny môtô nentiny. Nohararaotin’ireo dahalo izany, nidarohany tsy nananany antra ilay vehivavy nentin’ity mpanabe ity. Fantatra fa lasa tamin’io fanafihana io ny vola rehetra tany amin’izy ireo sy ny firavaka sarobidy teny amin’ilay ramatoa. Ilay môtô kosa najanon’izy ireo teo. Taorian’ny fanafihana vao afaka niantso vonjy ilay ramatoa, izay naratra mafy ihany vokatry ny vono nahazo azy. Ilay mpanabe kosa, na dia noezahina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana aza dia tsy avotra intsony ny ainy, noho ny fahabetsahan’ny rà very taminy. Ilay ramatoa nentiny kosa efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ary efa tsy misy atahorana ny ainy, hoy hatrany ny vaovao azo.

Voalaza fa eo amin’io toerana nahavoa ity mpampianatra ity dia efa karazan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy any amin’iny faritra iny. Efa nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L / Haja P.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici