- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTsivory : Zandary telo indray matin’ny dahalo

Tsivory : Zandary telo indray matin’ny dahalo

Mitohy hatrany ny ady anaty akata any atsimo any. Toraka izany ihany koa, mitohy ny herisetra izay miafara amin’ny fahafatesana olona. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo dia nisy mpitandro ny filaminana namoy ny ainy tao anatin’ny fifanjevoana. Rehefa nohamarinina dia zandary izy ireo ka manam-boninahitra ny iray. “Mbola mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny zandary any amin’ireo faritra izay heverina fa tena mena amin’ny asan-jiolahy, ary nanomboka tamin’ny 20 novambra teo izany. Misy roapolo lahy izy ireo no nizarazara tao anatin’ny toerana. Isan’izany ireo telo iza lavon’ny dahalo tao anatin’ny ady” raha araka ny fanazavan’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena. Nitohy hatramin’ny omaly maraina ny fifampitifirana satria raha vao naheno ny zava-misy ny zandary teo ambany fiahian’io manam-boninahitra io dia nanatona ny toerana misy azy ary naka ny razana telo. Tsy mbola fantatra kosa hatramin’ny omaly ny anarana sy ny mombamomba azy ireo ary torak’izany, tsy mbola voamarina na lasa ny fitaovam-piadiana na tsia. Ny olona izay nihazakazaka nitsoaka ny  tanàna no nahafantarana ny amin’ny fisian’ny rà mandriaka tao Tsivory. Ireo koa no nitantara ny amin’ny fahafatesan’ireo zandary. Avy harany dia nampiana an’isa ny zandary ary nidina nijery ifotony. Mbola ady saritaka koa nandritra ny fangalàna ireo razana, izany hoe hatramin’ny omaly maraina, satria mbola tao an-tanàna ireo dahalo izay am-polony maro. Misesy ny fahafatesan’ny mpitandro ny filaminana eo am-perin’asa. Vao andro vitsy koa izay no maty voatifitra ny komandin’ny borigady tao Ranomafana. Ny tsikaritra dia manomboka mitovitovy ny fitaovam-piadiana ampiasain’ny dahalo sy ny mpitandro ny filaminana kanefa ny isa tsy mitovy satria maro hatrany ny dahalo noho ireo mpanenjika azy ireo. Ny fokonolona hatrany no manampy isa matetika rehefa misy fanarahan-dia ary dia matetika koa amin’ireo no misy latsa-drà. Dia izany hatrany no mitranga any ambanivolo any. Mametra-panontaniana matetika ny olona ny amin’ny hoe, maninona no tsy alefa hiady any ny Tafika rehefa tsy hisy ihany ny fanahiana avy any ivelany. Raha ny fijerin’ny olona mantsy dia lasa mipetra-potsiny ny miaramila ary ireo zandary vitsy an’isa hatrany no lasa sorona.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici