Raharaha hafa no niaingan’ireo polisy nefa dia remby be no nentina nody. Ny 25 aogositra 2020 raha handeha hamita iraka fisamborana olona voarohirohy amina fivadiham-pitokisana ao amin’ny kaominina Andohan’Ilakaka, distrikan’Ihosy ireo polisy avy ao amin’ny Hery vonjy taitra (FIP) Toliara dia nisy olona tsara sitrapo nampahalala azy ireo, fa misy rongony maromaro ao anatina trano rava iray ao amin’ny toerana atao hoe Andimity, faritra Sakarivo, fokontany Tsongobory. Vao nandre izany ireto mpitandro ny filaminana ireto, dia nidina tany an-toerana avy hatrany. Tsy diso tokoa ny vaovao nomena azy ireo satria gony 62 feno rongony no hita tao amin’io trano tsy misy mipetraka na miandry io. Rehefa nolanjaina izany dia nahatra 780 kilao. Tsy hita ary tsy fantatra moa ny tompon’ireo entana ireo, izay heverina fa natoby tao, fa tsy maintsy hotanterina any amin’ny toerana hafa. Nogiazana avy hatrany izany zava-madomelina izany ka nodorana tao Andaboy, teo anatrehan’ny Mpitsara avy ao amin’ny Tribonaly Toliara sy ny tomponandraikitry ny fokontany Tsongobory ny 2 septambra 2020 teo. Na izany aza dia mbola mtohy ny fikarohana izay mety ho tompon’ireto rongony be dia be ireto.
T.M.