
Nadoboka avy hatrany teny alin’ny toby fitaizana zaza maditra eny Mandrosoa Anosiala ity bandy kely ity. Mbola tsy ampy taona akory mantsy dia efa niketrika mafy ny haka ny tsy an’ny tenany. Kanjo tra-tehaka. Tranga niseho teny amin’iny faritra Ambatofotsy gara iny ny herinandro teo. Misasakalina tsara ny andro tamin’izany no nimokomoko manosika moto mamakivaky iny alina mangina ingahy, teny ambonin’iny tonelin’ny lamasinina iny. Marihana fa manamorona ny lalam-pirenena fahafiti izy io. Tsikatitr’ireo zandary mpanao fisafoana izany ka natonona sy nohadidiana avy hatrany ranamana. Vetivety dia nibaradaka ingahy kely ary nilaza fa tena moto halatra vao avy nalainy tao Ambatofahavalo ity hatosiny ity ka nosakainy entina miakatra aty an-drenivohitra. Mazava ho azy, fa natodi-doha nentina nihazo ny birao ity mpangalatra ity . Ary nalefa notazomina eny Anosiala io. Ilay moto kosa nogiazana tao amin’ny birao, niandry ny tompony.
m.L