Toerana efatra no nanaovana hetsika dia Mangarivotra, Ambolomadinika, Ambalakisoa ary Morarano. Ireo hatrany mantsy no tena faritra mena iverimberan’ny jiolahy matetika. Nilatsahan’ny polisy ny toerana ary nanaovana fisafoana nifanehatra tamin’ny jiolahy tokoa ary dia raikitra ny fanenjehana. Tao anatin’izany no nisy jiolahy roa lavo raha nikasa ny nanohitra tamin’ny zava-maranitra, raha araka ny fanazavan’ny polisy. Izay ny vaovao ofisialy fa ny tsikaritry ny maro kosa dia tena mifanjevo tanteraka amin’izao ny polisy sy ny olon-dratsy ao an-toerana, indrindra taorian’ilay nitifirana ny naman’iretsy voalohany ka nandratra mafy azy ary nahafaty ny zanany. Mandeha ny savahao ny amin’izay mety ho tompon’antoka ary tsy mitsitsy izay mifanandrify aminy ireo mpitandro ny filaminana. Efa tafakatra avo loatra mantsy ny lalao ataon’ireo jiolahy izay sahy manafika polisy ao an-tranony ary mikitika ny ankohonany. Mazava raha tsy mitsitsy izay mifanandrify aminy ny mpitandro ny filaminana ary tokony ho izay efa hatramin’ny ela rahateo ny fifandraisana, satria faritra mena mandavan-taona i Toamasina amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana. Tsiahivina koa fa mbola tany amin’iny faritra iny no nisy nitifitra ny fiaran’ny ben’ny tanàna teo aloha ny herinandro lasa teo. Soa fa mba tsy nisy ny aina nafoy.
D.R