Nihatra nanomboka ny zoma lasa teo ny tsy fahazoana mivorivory noho ilay valanaretina « coronavirus » tonga eto amintsika, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena. Araka izany, nandray fepetra nandrara ireo izay mbola ninia nandika izany ireo, teo anivon’ny polisim-pirenena. Antokom-pivavahana zandriny maromaro araka izany no nidinan’izy ireo ifotony. Ireto farany izay mbola nanatanteraka hetsika famoriam-bahoaka ihany na dia teo aza ny tsy fahazoana manao izany. Ny sabotsy lasa teo, dia antokom-pivavahana roa no voatery noravana rehefa nampahafantarina azy ireo izany fandraisana fepetra noraisin’ny Fanjakana izany mba tsy hiparitahan’ity valanaretina ity : ny teny Ankadindratombo sy tetsy Ambodivondava. Omaly alahady dia fiangonana zandriny iray, etsy Nanisana no mbola niziriziry nanao fivoriam-bavaka ihany. Voatery noravana sy nasaina nody avokoa moa ireo mpiangona tao noho izany. « Anterin’ny pôlisim-pirenena hatrany, fa mba ho fiarovana ny ainao sy ho fitsinjovana ny mpiara-belona aminao, dia ilaina ny manaraka ny toromarika ahafahantsika rehetra misoroka ny fiparitahan’ity valanaretina ity ». Marihana, fa ireo fiangonana izay ao anatin’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (ffkm) dia efa nandray fepetra ny hanakatona avokoa ireo fiangonana rehetra sy nanafoana ireo fotoam-bavaka sy fivoriana isan-karazany, nanomboka ny sabotsy lasa teo, araka ny fanambarana nataon’izy ireo.
m.L