- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fanajana mpandeha taxi-be : Voasazy 5 volana sy 4 volana an-tranomaizina...

Tsy fanajana mpandeha taxi-be : Voasazy 5 volana sy 4 volana an-tranomaizina ny mpamily sy ny resevera

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana mikasika ilay raharaha nitorian’ny mpanao gazety Solofo Ranaivo izay naratra noho ny tsy firahirahinana nataon’ny mpamily sy ny resevera toa amin’ny zotra 161taminy. Fantatra ary izao fa voasazy 5 volana sy 4 volana an-tranomaizina sazy mihatra ilay mpamily sy ilay mpanampy azy. Ankoatran’izay, tsy maintsy mbola madoha onitra 5 tapitrisa ariary ilay mpamily, 4 tapitrisa kosa ilay resevera. Tsy afa-maina ihany koa ny orinasam-piatohana izay misahana ity fiara nahavanon-doza ity, satria araka ny maha tompon’andraikitra azy dia noteren’ny Fitsarana izy handoha 5 tapitrisa ariary amin’ny mpitory. Raha tsiahivina, vono sy ratra tsy niniana na « coups et blessures involontaires » sy fandosirana andraikitra rehefa nanao  heloka na « délit de fuite » no nanenjehana ireo voampanga. Nitranga izany teo Antsabe tamin’ny volana novambra 2018, raha iny saika handray taxi-be 161 teo amin’ny fiantsonana iny ity mpanao gazety ity. Marihina fa mana-kilemana ara-batana ny lehilahy. Noho ny hamaroan’ny olona niandry fiara teo dia nisy ny fifanosehana. Mba tafavoaka tao anatin’izany ihany izy ka afaka niakatra ny tohatohatr’ilay fiara satria mba nanampy azy ilay resevera. Mbola tsy tafiditra tsara akory anefa izy no niainga tampoka ity taxi-be ity satria nisy fiara iray mpifaninana tonga. Rehefa izay, navotsotr’ilay resevera tampoka ny tanan’ity mpanao gazety ity izay efa niantehatra taminy ka nianjera sy nitsikasina tety ivelany ity farany. Tsy noraharahian’ilay mpamily sy ilay resevera anefa izany fa dia notohizany hatrany ny lalany na dia niantsoantso aza ireo olona nahita izany. Naratra noho io fianjerana io i Solofo Ranaivo ka voatery nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana. Nihombo ihany anefa ny aretiny tato aoriana ka voatery nanao fizaham-pahasalamana indray izy. Tamin’izany no nahitan’ny mpitsabo fa noho io ratra nahazo azy io dia nihena 5% ny fahafahany miasa, ary mandram-pahafaty izany. Nampidirina tao amin’ny taratasin’ady izany ka dia izao no didy navoakan’ny Fitsarana. Amin’ny ankapobeny, fandresena lehibe ho an’ny mpanjifa ireny taxi-be ireny ary tokony ho lesona ho an’ireo mpitatitra ihany koa izao didim-pitsarana izao. Ireto farany izay ilaina tokoa ny mba hanitsian’izy ireo ny fomba fiasany sy ny fandraisany ireo mpandeha amin’ireny zotram-pitanterana itambaram-be ireny.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici