Nihena iray indray aloha ireo mpanao asa ratsy any amin’iny faritra Sofia iny. Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny kaominina Ankerika, distrikan’Antsohihy, omaly mantsy ity malaso raindahiny, antsoina hoe « Norbert » ity, izay efa nampitondra faisana tanàna maro tany an-toerana, tamin’ny resaka asan-dahalo sy fanafihana mitam-piadiana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary any an-toerana dia voasambotra ny talata lasa teo ity lehiben’ny dahalo ity. Nahatratrarana omby tsy mazava 153 izy teo am-pelatanany. Nentina nanaovana fanadihadiana mahakasika izany ranamana ary niaiky fa omby halatra izy ireo. Nanaiky ny hifampiraharaha tamin’ireo mpanao fanadihadiana ingahirainy, hanoro ireo ekipany, mpiray tendro aminy amin’ireo fanafihana maro efa nataony. Omaly, raha notarihin’ity olon-dratsy ity tamin’ny toerana voalaza fa fiafenan’ireo dahalo namany izy no nanararaotra nitsoaka. Tamin’ny fanenjehana azy no voatifitra ity olon-dratsy ary maty tsy tra-drano. Marihana, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana fa efa nifandona tamin’ny mpitandro filaminana, volana vitsy lasa izay ireo dahalo notarihin-dRanorbert sy ny namany. Tamin’io fotoana io, tao anatin’ny fifanjevoana tao no maty voatifitra ny lefiny iray, saingy tafatsoaka kosa ingahy. Tamin’ity indray mitoraka ity araka izany, tsy afaka nankaiza intsony ingahirainy ary izao niafara tany amin’ny varo-tsy mifody izao. Tsy mijanona hatreo moa ny fametranana ny filaminana any an-toerana, hoy hatrany ireo zandary, fa mbola mitohy hatrany, eny fa na dia efa nihena iray aza ireo mpitarika dahalo. Entanina ny rehetra araka izany, hampandre avy hatrany ireo mpitandro filaminana sy hanome vaovao azy, ahafahana misoroka mialoha ireo asa ratsy. « Hatao haza lambo ireo dahalo ary hatao savahao avokoa ny toerana voalaza fa fanafenan’izy ireo omby halatra », hoy izy ireo.
m.L