Ny Alakamisy faha 29 Janoary taona 2026 lasa teo iny, tokony tamin’ny 10 ora maraina mahery 15 minitra tany ho any no niara-nikaondoha ireo mambra ny OMC na: » Organe Mixite de Conception » eto Betsiboka sy ny mambra ny OMC Ambatoboeny, tao amin’ny biraom-piasan’ny préfetn’i Maevatanàna no nanatanterahana ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, izay hiadiana amin’ny asan-dahalo amin’ireo sisin-tanin’ny disitrikan’Ambatobeony sy ny disitrakan’i Maevatanàna ny tena dinidinika ambany tafin-trano nisy teto. Tapaka nandritra izao fihaonana izao fa hapetraka ny » COGUL » eny amin’ny sisin-tanin’ny disitrika voalaza etsy ambony, izay hiantsorohan’ireo mpitandro ny filaminana ato anatin’ny disitrakan’i Maevatanàna sy ny any amin’ny disitrakan’Ambatoboeny, hafahana mifehy ny sisin-tany, sady hisian’ny fiaraha-miasa matotra ihany koa. Voalaza tao anatin’izao fiarahana midinika hamahana ny olan’ny tsy fandriam-pahalemana izao, fa hatokana amin’ny toerana iray ny fivarotana omby mba hafahana manamafy ny fanatsarana ny tsenan’omby. Natao moa ity hetsika ity mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra miantefa amin’ireo vahoaka. Eto ampamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa ny préfetn’i Maevatanàna sy ny lehiben’ny disitrakan’Ambatoboeny no nitarika ny fihaonana teto.
Ratantely


