- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriam-pahalemana : Dahalo 20 maty tanatin’ny iray andro monja

Tsy fandriam-pahalemana : Dahalo 20 maty tanatin’ny iray andro monja

Tsy an-kitsitsy intsony. Na ny dahalo etsy ankilany na ireo fokonolona sy ny zandary etsy andaniny, tsy maintsy rà mandriaka sy aina nafoy foana no aorian’ny fifandonana any amin’ireo faritra mena amin’ny resaka asan-dahalo.

Toy izany izao ity nitranga tao amin’ny kaominina Kiranomena, any amin’ny distrika Tsiroanomandidy iny, ny alatsinainy teo dia aina dimy be izao no indray nafoy. Ny iray tamin’ireo mpitondra fivavahana tany an-toerana lavon’ireo malaso. Ireo efatra ambiny kosa dia dahalo izay tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony. Araka ny fanazavàna azo mantsy dia nisy trangana fanafihana niseho tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Bemasoandro tamin’io alatsinainy io. Am-polony maro ireo dahalo no tonga tamin’ilay tanana, kanefa nijoro hatramin’ny farany niaro ny fananany ireo fokonolona ka sahy nanohitra an-kitsirano ireo olon-dratsy. Tamin’io fotoana io no nahavoa ilay mpitondra fivavahana izay, voan’ny balan’ireo dahalo teo amin’ny lohany ka maty tsy tra-drano. Tsy nahazo n’inona n’inona ireo andian-dahalo tamin’io fa nitsoaka rehefa tsy resy tosik’ireo fokonolona. Voatsenan’ireo zandary mpanao fampandrian-tany anefa ireto farany ka raikitra indray ny fifandonana, izay nahafatesana dahalo efatra io.

Fa tamin’io alatsinainy io hatrany, saingy tany amin’iny distrika Betroka iny indray. Nitatatata ihany koa ny feom-basy ary nandriaka namonto tezam-bohitra ny rà. Aina 18 be izao no indray nafoy tamin’io fotoana io, tao amin’izany tanana antsoina hoe Ambararata, ao amin’ny kaominina Isoanala. Ny 16 amin’ireo no dahalo, ary ny roa avy aty amin’ny fokonolona. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy fanafihana tao amin’io tanana io, nataona andian-dahalo manodidina ny 50 mahery any ho any, mirongo basim-borona. Omby an-jatony no lasa. Nanantanteraka fanarahan-dia avy hatrany ireo fokonolona izay nahitàna ireo dahalo niova sy ny mpitandro filaminana. Tao amin’ny tanana antsoina hoe Tambohoarivo no nifanehatra ny roa tonta ary raikitra ny fifandonana, niteraka ireo famoizana aina be dia be io. Azo kosa ary efa tafaverina amin’ny tompony daholo avokoa kosa tetsy andanin’izay ireo omby nangalarin’ireto olon-dratsy ireto. Mbola mitohy kosa moa ny fikarohana ireo tafaporitsaka tamin’ireo malaso

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici