Ireo mpirevy amin’ny alina no mazàna lasibatra… Nanova paikady indray mantsy ireo tontakely eny amin’iny faritra Anosizato iny. Mba hanatevenana misimisy kokoa ny “vola miditra” dia nanantanteraka fiaraha-miasa vaovao izy ireo, izay tsy iza fa ny sasantsany amin’ireo tovovavin’ny alina teny an-toerana. Araka ny fampitam-bavovaon’ny zandary, izay nandray fepetra haingana nanoloana ity tetidratsy ity, dia nisy avy hatrany ny fidinana ifotony teny an-toerana ka nahatratrarana ireo olon-dratsy. Miisa fito ireo voasambotra. Andia-mpanendaka sy mpivaro-tena, notarihan’izany Monaka izany. Ity farany izay fantatra fa efa mpanendaka raindahiny eny amin’iny faritra iny ary efa nigadra noho izay asa ratsy izay hatrany.
Miara-miasa tanteraka moa ny roa tonta, raha ny vaovao hatrany, manjono ireo lehilahy alim-pody na ireo mpirevirevy eny an-toerana. Miditra an-tsehatra voalohany amin’izany ireo tovovavin’ny alina, mandangolango sy miezaka misintona “client” toy ny mahazatra. Rehefa misy iray tafaroboroka dia mandeha amin’izany ny “cinema”. Sakorohan’izy ireo tampoka miaraka amin’ny teniteny isan-karazany, izay tsy ampoizin’ilay lasibatra akory. “Signal” ho an-dry zalahy tsy lavitra eo anefa izy, izay mivoaka tampoka avy any ihany koa ary mody miaro ireo vehivavy. Miafara amin’ny vono sy fanendahana avy eo ilay “fiarovana” ary tsy amelan’izy ireo raha tsy lasa avokoa, vola finday sy izay akanjo tsaratsara eny an-koditra.
Izy fito mianadahy ireto aloha no tratra, raha ny vaovao. Heverina fa tsy maintsy hanaraka eo ihaany izay mety no naman’izy ireo. Marihana fa efa natolotra ny Fampanoavana ireto tratra ireto ka ny enina no nadoboka am-ponja, raha napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna ny iray.
m.L