Tsy tokony hisalasala ny rehetra ny hiangavy ireo polisy izay miparitaka eny rehetra eny mba hanatitra azy ireo raha mbola tsy maintsy hiditra lalana maizimaina rehefa mody alina. Efa nomena baiko ho amin’izany ireny mpitandro filaminana ireny ary efa mivonona ny hanatanteraka izany. Notsindrian’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa io nandritra ny lanonana fanamarihana ny faha-60 taona niorenan’ny Polisim-pirenena izay notanterahina omaly tetsy Mahamasina. Lohahevitra nitondrana ity taon-joabily ity tokoa ny hoe : Polisy miaro ny vahoaka, Polisy manampy ny vahoaka ». Tsy natao ho resaka fotsiny izany fa tena hampiharina amin’ny fomba fiasa manomboka izao sy amin’ny taona maro hifandimby, hoy ny Minisitra. Ao anatin’izay tanjona izay indrindra no nandraisana ilay fanapahan-kevitra voalaza tetsy ambony teo. Na izany aza anefa, nanentana ny rehetra mba ho mailo sy hitandrina ary handray ny fepetra rehetra ho fiarovana ny tenany ny Minisitra. Isan’izany ny tokony hampiomanana ny olona tokony hitsena sy hantitra raha tsy maintsy hody alina na handeha amin’ny toerana mangina ka mampiahiahy amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay hita fa mirongatra tokoa tato ho ato. Manolona ity tranga ity, nanambara ity tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny filaminam-bahoaka ity fa raha ny eto an-drenivohitra manokana dia polisy 1200 no efa miantsehatra amin’ny fampandriana fahalemana isan’andro amin’izao fotoana izao. Manampy azy ireo koa ireo mpianatra ho polisy manao fiofanana araka asa eto Antananarivo. Tsy hitsahatra ary hamafisina hatrany izao ezaka fampandriana fahalemana izao, hoy izy, mba hanatanterahana ny velirano voalohan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia ny famerenana haingana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy hikely soroka ny polisim-pirenena hanatanteraka izay ka tsy maintsy handary andraikitra avy hatrany raha vao mahita tranga fandikan-dalana. Mikasika izay indrindra dia nilaza ity tomponandraiki-panjakana ity fa tsy voatery hiandry mpitory ny polisy vao hanao ny asany. Tsy maintsy hanaovana fanadihadiana avy hatrany izay tratra nanao heloka ary tsy maintsy atolotra ny Fitsarana. Nomarihin’ny Minisitra manokana izany raha nanontanian’ny mpanao gazety izy ny amin’ny fitaraianana maro voaray milaza fa avotsitry ny mpitandro ny filaminana fotsiny ireo jiolahy na mpanendaka sy mpangarom-paosy voasaimbotra ka atolotra ny polisy satria tsy misy mpitory. Koa miangavy sy manentana ny rehetra ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mba mba tsy hisalasala ny handray andraikitra sy hiara-miasa amin’ny polisy mba hamongorana ireo mpanao ratsy manimba ny firenena eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
60 taona nanamarika ny fianam-pirenena.
Ny 30 septambra 1961 no nanorenana ny polisim-pirenena malagasy voalohany teto Madagasikara. Feno 60 taona omaly izany ka nisy ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy izany taon-jaobily izany notanterahina tetsy anoloan’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, natrehan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sady filoha Mpitarika ny OMC (Tomponandraikitra voalohany amin’ny fitandroana ny filaminana eto amin’ny firenena). Ity farany izay nisolotena ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay ray mpiahy izao lanona izao. Natomboka tamin’ny hazakazaka niarahan’ireo polisy marerana ny Renivohitra izany ka nofaranana tamin’ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana ity faha-60 taona ity tetsy anoloan’ny kianja Barea Mahamasina. Nanatrika sy nanome voninahitra izany ireo olo-manan-kaja sy tompon’andraiki-panjakana maro, toy ny ben’ny tananan’Antannanarivo Renivohitra Naina Andriantsitohaina sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, jeneraly Rakotonirina Richard. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanehoan’ny ben’ny tanàna ny fankasitrahany feno ny fiaraha-miasa mahomby misy eo amin’ny polim-pirenena sy ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo. Ny Praiminisitra kosa tetsy an-kilany dia nanamafy ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa eo anivon’ireo mpitandro ny filaminana rehetra dia ny Tafika, ny Zandary, ary ny Polisy mba hampisy ny fandriampahaleman maharitra eto amin’ity firenena ity. Nambarany fa efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana amin’ny fampitaovana ireo mpitandro ny filaminana, toy izany koa ny eo amin’ny fambitomboana ireo olona hisehatra amin’izany. Mikasika izay indrindra dia nisaotra manokana ny Praiminisitra ny Minisitry ny Filminam-bahoaka ny naneken’ny fitondram-panjakana voa tsy ela akory ny handraisana polisy vaovao miisa 1400 mahery amin’ity taona ity.
T.M.