- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriam-pahalemana Toamasina : Mirongatra ny vaky trano isam-pokontany amin’izao

Tsy fandriam-pahalemana Toamasina : Mirongatra ny vaky trano isam-pokontany amin’izao

Mirongatra izay tsy izy ny vaky trano isam-pokontany amin’izao, ka ireo fokontany lavitra ny tanan-dehibe no tena lasibatra mafy amin’izany. Tra-tehaky ny FIP notarihan’ny komandany Rafaliarivo Jules ireo mpangalatra 05 lahy avy nanao ny asa ratsiny tokony ho tamin’ny misasak’alina, ny sabotsy teo. Raha ny fanazavan’ny FIP avy nanao fanadihadiana an’ireo andian-jiolahy tratra ireto, dia tranon’olona tao amin’ny “Pont Mainty” no nidiran’izy ireo. Ny fomba fanaon’izy ireo raha ny fanazavan’izy ireo tamin’ny polisy ihany dia mandondona trano aloha, ka raha tsy misy mamaly mandritra izay dia poirin’izy ireo amin’ny “barra à pince” ny varavarana, dia miditra an-keriny izy ireo ao amin’ny tranon’olona tiany hidirana. Tamin’ity tranga vaky trano tao amin’ny “pont mainty anefa dia henon’ny tompom-trano tsara ny fidiran’izy ireo tao an-trano fa ninia tsy niteny izy ireo fa nandefa someso tamin’ny FIP no nataony. Tsy ela akory taorian’izay dia tonga ny polisy ary tonga nanampy azy ireo teo koa ny fokonolona tao an-tanana. Raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny fisamborana ka tratra tamin’izany izy 05 lahy namaky trano sy ireo entana avy nangalariny, tahaka ny “panneau solaire” sy ny “Batterie-ny” izay efa noeritreretin’izy ireo hamidy 5 alina ariary amin’ireo sahy hividy azy. Efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha izao ka ho hita eo ny tohiny, fa eo am-panaovana famotorana ry zareo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici