- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana ao Anjozorobe : Lasibatry ny jiolahy hatramin’ny biraom-panjakana

Tsy fandriampahalemana ao Anjozorobe : Lasibatry ny jiolahy hatramin’ny biraom-panjakana

Manjaka tanteraka ny asan-jiolahy any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Tokantrano, fivarotana, eny fa na hatramin’ny biraom-panjakana aza dia lasibatry ny jiolahy avokoa ka tsy misy tahotra intsony fa dia miakatra ao an-tampon-tananan’Anjozorobe mihitsy ireo olon-dratsy. Araka ny fantatra mantsy, tamin’iny herinandro iny dia niharan’ny vaky trano ny biraon’ny fari-piadidim-pampianarana tany an-toerana. Solosaina maromaro sy entana isan-karazany no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany.

Zava-pisotro. Ny zoma hariva lasa teo izao dia fivarotana enta-madinika sy zava-pisotro iray tao an-toerana no lasibatry ny jiolahy mirongo basy. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nahatratra teo amin’ny enin-dahy ireo malaso no tonga nanao amboletra tao amin’ity fivarotana ity. Nitondra basy ny roa tamin’izy ireo ary zava-maranitra isan-karazany kosa ny  an’ireo hafa. Na dia azo lazaina fa somary be olona ihany ny toerana nisy ity fivarotana ity, dia tsy nahasakana ireo jiolahy tsy hanao ny asa ratsiny izany. Vao niditra izy ireo, dia ny basy no narangarangany, nentina nandrahonana ilay mpivarotra, izay marihana fa zanaky ny tompon’ny tsena.  Mazava ho azy, fa nentin’ny fahatahorana ity farany dia nanaiky izay rehetra notenen’ireo mpanafika. Vokany, nobatain’izy ireo ny fitoeram-bola izay nisy ny vola maty nandritra ny andro. Nisy entam-barotra vitsivitsy ihany koa nalain’ireto olon-dratsy ireto ka zava-pisotro no betsaka tamin’izany. Rehefa azon’izy ireo moa izay nilainy dia nitsoaka izy ireo ary taorian’izay vao afaka niantso vonjy ilay lasibatra. Raha resaka hala-botry sy vaky trano no fanaon’ireo olon-dratsy hatramin’izay teo an-tampon-tanana, izao manomboka miroso amin’ny fanafihana mitam-piadiana  ireo olon-dratsy.

Jiro maty. Tsy ambanivohitra, tsy an-tampon-tanana tokoa mantsy, fa dia manjaka izay tsy izy ny resaka tsy fandriampahelamana. Mandry tsy lavo loha ireo mponina raha vao mirotsaka  ny alina. Indrindra moa fa niverina tany amin’ny dimy, folo taona lasa tany aoriana indray ny ora hirehetan’ny jiro ao an-drenivohitry ny distrika; izay tsy misy afa-tsy adiny folo isan’andro monja, raha mba efa nahita 17 ora izany teo aloha teo ary nandrandrain’ny maro hitohy 24 ora. Indrisy anefa … Araka izany manao antso avo  ireo mponina mba hijerena akaiky ity zava-misy any an-toerana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici