Lehilahy 01 no voasambotry ny Polisy ao amin’ny boriborintany fahavalo ny zoma 28 febroary 2020 tokony ho tamin’ny 01ora 20mn maraina tetsyAnalamahitsy. Io andro voalaza etsy ambony io, dia naharay antso tamina tokantrano 01 tetsy Analamahitsy ny Polisy, fa misy olona mitady hiditra ny tranon’izy ireo. Ny Polisy manao fisafoana teny akaikin’ilay toerana no avy dia nidina ifotony. Vokatr’izay dia mbola tra-tehaka teo am-pamakiana ilay trano ny rangahy 01, 40 taona.
Lehilahy miisa 02, 28 sy 17 taona ihany koa no tra-tehaky ny Polisy ao Atsimondrano ny alin’ny zoma 28 febroary. Polisy manao fisafoana miditra an’elanelan-trano amin’ny alina tetsy Ambodivoanjo-Ambohimanatrika no nahita lehilahy 03 nitondra entana. Vao nahita ny Polisy ireto farany, dia nirifatra nitsoaka ka ny 02 lahy tamin’izy ireo no tra-tehaky ny Polisy. Rehefa nosavaina ireo entana teny aminy izy, dia nahitana kojakojan-tokantrano maro samihafa toy ny: menaka, savony, labozia (amin’ny« paquet »daholo ireo entana ireo). Nentin hananaovana fanadihadiana teny amin’ny kaomisaria ihany koaizy roa lahyireto. Ny 29 febroary indray dia mpanendaka 01 efa mpamerin-keloka no nahazoan’ny Polisy angom-baovao tokony ho tamin’ny 05 ora sy 03mn hariva, fa mihaodihaody eny Anatihazo Isotry ity lehilahy ity. Ny Polisy mpanao fisafoana eny an-toerana no nijery ity mpanendaka ity. Vao nahita ny Polisy ity farany dia nirifatra nitsoaka ka tetsy Andavamamba vao voasambotra.
Ny 29 febroary ihany dia mbola nitohy ny vokatra azon’ny Polisim-pirenena ka tao anaty fisafoana ataon’ny Polisin’ny boriborintany fahatelo tetsy Anjanahary ihany dia lehilahy 03 no voasambotry ny Polisy miaraka min’ny basy 01 sy bala maromaro. Ny 29 febroary io ihany dia lehilahy 01, 25 taona saika hanendaka mpandeha an-tongotra ihanykoa no tratran’ny Polisin’ny boriborintany fahenina mpanao fisafoana an’elakelan-trano tetsy Antanety. Mbola ny 29 febroary ihany, fa tamin’ny 10 ora alina indray. Lehilahy iray 24 taona no nosamborin’ny Polisin’ Atsimondrano tetsy Ambaniatsimo satria nahitana fonosan-drongony tany anaty paosiny.
Nangonin’i T.M.