- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana eto Madagasikara : 5 isan’andro ny matin’ny herisetra sy asan-jiolahy

Tsy fandriampahalemana eto Madagasikara : 5 isan’andro ny matin’ny herisetra sy asan-jiolahy

Toa tsy mampino nefa izay no zava-misy. Araka  ny antontanisa izay navokan ‘ny  jeneraly Rakoto Fanomezantsoa, lehiben’ny hôpitaly miaramila Soavinadraiina dia mahatrata 5 isan’andro na 1800 isan-taona raha ny salan’isa ankapobeny ny olona maty vokatry ny asan-jiolahy sy harisetra eto Madagasikara. Nivoatra io nandritra ny famaranana ny                 atrik’asa nihaona’ireo mpitsabo miaramila tetsy amin’ny  CEMES Soanierana ny Zoma lasa teo.Manoloana io tarehimarika io dia mahatsapa fa manana andraikitra lehibe hanarenana ny lesoka mahatonga izany ny  Tafika malagasy. Ity farany izay voalohany mpisehatra mivantana eo eny an-kianja amin’ny fampandriam-pahalemana ny firenena. Adidin’izy ireo ny miaro ny vahoaka sy  ny fananany  ka ilaina ny hametrahana rafitra tena mahomby hanatanterahana izany. Efa natomboka izany teo amin’ny fitantanana ankapobeny eo anivon’ny Tafika malagsy ka tafapetraka ankehitriny ny folibem-pibaikoana manokana misahana salama  izay manana ny foibeny etsy Betongolo. Rafira vaoavao napetraka mba hifanaraka amin’ny fanovan-drafitra eo anivon ‘ny Tafika malagasy izay natao mba hanakekezana kokoa ny vahoaka. Manakaiky vakoaka satria raha teo aloha dia toa tsy fantatra mihitsy fa manana olona misehatra amin’ny fahasalamana ary afaka hanampy sy miantsehatra  mivantana eny anivon’ny vahoaka ny miaramila, ankehitriny dia efa hita fa miova tanteraka ny zava-misy. Tsy mijanona eo an’ivon’ny kazerina ireny intsony ny asa ataon’ny miaramila fa miditra an-tsehatra amin’ny sosialim-bahoaka. Mba hanamafisana izany ity atrik’asa notatanterahina ny zoma teo ity. Namarana izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, jeneraly Rakokotonirina Rachard ka nilazany tamin’ny fandraisam-pitenany fa manana olona sy fahaiza-manao afaka manampy ny mpiara-belona aminy amin’ny  lafiny fitsaboana sy fahasalama ny Tafika Malagasy. Porofon’izany ny efa natao nandritra ny ady tamin’ny Covid-19, ny kere tany Atsimo ary ny famonjenna ireo trq-boina tamin’ny rivodoza sy tondra-drano nahazo ny firrenena farany teo .

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici