- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana eto Toamasina : Voasambotry ny polisy ireo ekipa mpamaky trano tao...

Tsy fandriampahalemana eto Toamasina : Voasambotry ny polisy ireo ekipa mpamaky trano tao amin’ny fokontany 11/52

Isan’ny asan-jiolahy mirongatra eto Toamasina tao anatin’izay fihibohana sy fahamehana ara-pahasalamana nisian’ny tsy fahazoana mivoaka amin’ny alina izay ny vaky trano samihafa. Miezaka ny miady amin’izany ireo mpitandro ny filaminana, isan’izany ny polisy. Noho ny ezaky ny polisin’ny boriborintany I misy ny kaomisera Rakotovao Jean Christian dia voasambotra ireo ekipa ahitana olona 11, ka vehivavy ny 04 ao anatiny, namaky ny trano ipetrahan’ny teratany sinoa tao amin’ny fokontany 11/52 Ankirihiry.

Raha iverenana ny tantara dia ny alin’ny 18 avrily nifoha ny 19 avrily teo no nisy namaky ny tranon’ity teratany sinoa nanofa trano ao Ankirihiry ity, ka very tamin’izany ny vola teo amin’ny 20 tapitrisa ariary teo, ankoatra ny entana samihafa. Isan’izany ny findain’ilay teratany sinoa. Nandray an-tanana ny raharaha ny polisin’ny boriborintany I izay nametrahan’ilay teratany sinoa ny fitoriany sy ny fitarainany. Nandeha ny fanadihadiana ka izao nody ventiny izao ny rano nantsakaina tamin’ny nahatrarana lehilahy 07 sy vehivavy 04 nandray anjara mivantana sy ankolaka tao anatiny. Nandritra ny fisamborana azy ireo koa no nahatrana ny findain’ilay teratany sinoa isan’ny very tamin’ny vaky trano. Nandritra ny fisamborana azy ireo koa, hoy ny polisy, no nahitana ireo rongony fampiasan’ireto andian-jiolahy miandahy miambavy ireto, alohan’ny hanaovany ny asa ratsiny.

Na efa miisa 11 aza ny tratra tamin’ity andian-jiolahy mpamaky trano tao Ankirihiry ity, dia mbola misy naman’izy ireo mbola karohina koa any, hoy ny polisin’i Tanambao II misahana ny raharaha, fa ireto efa voasambotra kosa dia efa miandry fitsarana am-ponja azy taorian’ny fiakarany fampanoavana ny alatsinainy teo taorian’ny fakana am-bavany azy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici