- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana : Mpivarotra voatafika tao anaty delestazy

Tsy fandriampahalemana : Mpivarotra voatafika tao anaty delestazy

Vola manodidina ny 10 tapitrisa ariary any ho any no lasan’ireo olon-dratsy tao amin’ity mpivarotra iray tao an-tampontananan’i Betroka ny harivan’ny alakamisy teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nandritry ny fahatapahan-jiro any an-toerana no nanararaotan’ireo olon-dratsy nanao ny asa ratsiny. Mpivarotra iray teo an-tanana no lasibatra teto. Raha ny vaovao hatrany dia ankevitry ny efa voaomana mihitsy ity fanafihana ity ary diso fantatr’ireo olon-dratsy ilay toerana sy ny vola niditra tamin’izy ireo. Raha ny fantatra mantsy dia na dia efa nihidy aza ilay fivarotanana dia azon’izy am-pitaka mba hamoha ny varavarana ireo tompon-trano. Vantany vao nisokatra izany dia basy avy hatrany no nentin’izy ireo nandrahonana ireo tompon-trano, hitakiana ireo vola maty. Tsy afa-nanohitra noho izany iretsy farany fa dia nanome, satria toa fantatr’ireto mpanafika ny fisian’izany. Rehefa azon’izy ireo moa ny vola dia niala teo amin’io toerana io, toy ireny olon-tsotra ireny ireo jiolahy. Marihana fa tsy nisy poa-basy, tsy nisy antso vonjy akory nandritra ny fanafihana. Tsy nisy naheno akory na dia iray aza ireo mponina izay efa samy nihidy an-trano noho ny haizina. Efa dila lavitra, efa ela moa ireo mpanafika vao afaka nianto vonjy tamin’ny mpitandro filaminana ireo niharam-boina. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireto farany, raha ny vaovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici