
Teo am-pangaronana vehivavy iray mihitsy no tra-tehaka ny lehilahy. Tsy afa-niala intsony. Araka ny fampitam-baovao azo dia lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy avy ao Alasora, teny Ankadindratombo rehefa voalaza fa tratra nangarona ny paosina vehivavy iray teo akaikiny. Tao anatina taxibe iray mampitohy an’i Mandroseza sy Ilafy no nitrangan’izany. « Henon’ilay vehivavy anefa ny tanan’ilay rangahy nisaka ny paosiny ka nikiakiaka mafy izy. Taitra avokoa ny iray taxi-be ary nolazain’ilay vehivavy fa nangarona ny Paosiny ilay rangahy. Tsy nahetsika ity farany ary tsy namelan’ny olona tao anatiny fa tsy maintsy hotazomina ary omena ny mpitandro ny filaminana » raha ny fanazavàna azo hatrany. Rehefa nentina natao fanadihadiana ranamana dia niaiky soa aman-tsara fa isan’ireo tontakely mpitily haza anaty fiara fitateram-bahoaka. Nadoboka am-ponja vonjimaika moa izy rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanaovana.
Tsy miandry intsony eny amin’ny fiantsonana na manao ny asa ratsiny mandritra ireo olona misisika taxibe intsony ny mpanao ratsy amin’izao fa dia tongavany hatrany anaty fiara mihitsy. Maro ireo efa lasibatra sy velon-taraina ny amin’ny afitsok’ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy anaty taxibe. Rehefa mahay miray hina anefa ny mpandeha rehetra, hanohitra ireo mpanao ratsy hatramin’ny farany, tsy mahotra na iza mpiray tsikombakomba amin’ireo tontakely na iza, dia ahazoana vokatra toa izao.
m.L