Mitaraina ireo mpamily “tuc-tuc” na “bajaj” eto Toamasina izao, satria tao anatin’ny herinandro monja dia halatra fitaovam-pitaterana miisa telo no nitranga. Ny iray maty tamin’ny fomba feno habibiana ny mpitondra azy, ny iray mbola tsy hita popoka ny mpamily azy, ary ny iray hafa dia avotra soa aman-tsara na efa voatsindrona antsy aza. Raha hiveranana ilay mpamily “tuc-tuc” maty tamin’ny fomba feno habibiana ity, dia ny zoma lasa teo no efa nokarohan’ny fianakaviany izy satria tsy nody, nefa tsy fanaon’ity mpamily “tuc-tuc” antsoina hoe Jean Félix ity ny tara fodiana aorian’ny amin’ny 09ora alina. Nanao fikarohana ny fianakaviany raha efa nanao ny fitarainana teny amin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa, saingy ny alahady maraina dia faty natsingevan’ny ranon’i Pangalana teo anelanelan’ny “pont fotsy” sy “pont mainty” no nahitana ny fatiny. Nahitana tsindrona antsy maromaro tamin’ny vatany dia teo amin’ny tendany sy teo amin’ny kibony ary ny lohany. Raha ny fanazavana dia tsy mandoa vola amin’ny mpampiasa azy isan’andro izy fa isaky roa andro. Tsy feno ny volan’ny mpampiasa azy tamin’io fotoana io ka raha nahita mpandeha lehilahy maromaro haterina tany amin’ny “cite Vohitsara” izy dia tsy nandà, na efa lalan’ny hody aza ny zoma io. Tovolahy 35 taona i Félix izao maty izao ary namela kamboty telo mianadahy. Omaly no nentina niazo ny tanindrazany ao Andramasina Alatsinain’i Bakaro ny razana. Tsy hita popoka hatreto ilay “tuc’tuc” fitondrany mitady vola eto Toamasina mitondra ny laharana 3296 AH. Ankoatra izany dia fantatra izao fa tambajotra matanjaka ireto mpangalatra “tuc-tuc” izao tahaka ireo mpangalatra moto scooter, raha ny fanazavana azo dia ravana ireo “tuc-tuc” ireo ka ny faritra SAVA, sy ny distrikan’i Mananara avaratra sy Maroantsetra, no famarotan’ireo tambajotra izany aorian’ny famerenana fanganana ilay “tuc-tuc” noravana indray, mazana dia efa misy komandy voarain’ireo mpangalatra ireo koa ao anatin’izany ka ireo “tuc-tuc” na “bajaj” marika “Atul” sy “Piaggio” no tena lasibatra amin’izany.
Malala Didier